Tilane.

AKANY FELANA MAITSO – Ny fiainana andavanandro


 Ny Akany Felana Maitso dia fikambanana malagasy ao Antananarivo - Ambohibao, ONG nankatoavin’ny Ministeran’ny mponina tamin’ny 30 martsa 1999.
Ny Akany Felana Maitso dia mikarakara ireo zaza kamboty sy ireo sahirana. Izy ireo dia monina sy misitraka fampianarana ao amin’y Akany. Ny Akany Felana Maitso dia mandray ihany koa ireo ray aman-dreny sy reny tokan-tena, izay sahirana ara-bola na koa iharan’ny herisetra ao an-tokantrano.
Ireo mpanorina ny Akany Felana Maitso dia avy ao Ambohibao ihany.

Tamin’ny desambra 2019 no nandalovan’ny fikambanana Tilane voalohany tao amin’ny Akany Felana Maitso, nizara sakafo sy fanomezana. Nanomboka teo no nanapa-kevitra ny anohana ny Akany Felana Maitso i Tilane.

Fanoloran-tena sy fiaraha-miasa


Hatramin’izao dia mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’i Tilane sy ny Akany Felana Maitso.
Raha momba ny ara-tsakafo, Tilane dia miantoka ny sakafon’ireo ankizy miisa 70, in-droa isan’andro. Ny tanjon’i Tilane dia ny ahazaon’ny Akany ny sakafo sahaza mandritra ny enim-bolana.
Ary mba ho fahafinaretan’ireo ankizy, Tilane dia manampy ihany koa amin’ny fikarakarana ny fitsangatsanganana ataon’izy ireo.
Manarak’izany, anisan’ny tanjona ho an’i Tilane ihany koa ny fanatsarana ny Akany satria zava-dehibe ny ananan’ny tsirairay trano ialofana voakojakoja. Noho izany dia manampy ara-bola amin’ny asa fanorenana ny Akany ihany koa i Tilane.

Toe-draharaha ara-tsosialy


 Anisan’ny firenena mahantra indrindra eran-tany i Madagasikara amin’izao vanim-potoana izao. 80% ny mponina malagasy no miaina amin’ny fahantrana lalina, (ny karama isan’andro dia latsaky ny 1,90 USD tamin’ny taona 2024 *) ary 70% ny mponina no tsy manana fahafahana mampiasa herinaratra.
Maro ireo antony mahatonga izany fahantrana izany toy ny toe-draharaha ara-politika, ireo krizy ara-bola nisesy maneran-tany, ny Covid-19 ary koa ny fiovan’ny toetrandro (“changement climatique”).
Ho fanarenana izany toe-draharaha izany dia maro ireo “ONG” sy fikambanana manampy ny vahoaka ary koa miezaka manatsara sy manorina amin’ny sehatra ara-tsosialy, izay tandrify azy avy.

Raha ampitahaina ny isa, dia antsasakin’ny mponina frantsay ny isan’ny mponina malagasy, tamin’ny taona 2024. Ny velaran-tany anefa dia sahala.
Anisan’ny antony mahantonga izany elanelana izany dia ny tsy fahampian’ny fitsaboana / ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny vaohaka sy ny tsy fahampian-tsakafo.
Noho ny tsy fahampian-tsakafo anefa dia mihena ny hery fiarovana, ka tsy mahatohitra ny aretina intsony ny vatana. Ary maro ihany koa ireo aretina vokatr’izany tsy fahampian-tsakafo izany toy ny “marasme”, ny “kwashiorkor” ; hany ka anisan’ny antony lehibe iray mitarika ny fahafatesan’ireo ankizy malagasy izany, indrindra ireo latsaky ny 5 taona.

* Ny vidin’ny vary iray kilao anefa dia manodidina ny 4 000 Ariary (0,84 USD) eo eo tamin’ny taona 2024.

Fanohanana ny Akany : ny tanjona sy ireo fitaovana / tetikasa


Ny Akany dia mandray ireo zaza, ankizy sy tanora hatramin’ny 18 taona. Izy ireo dia ambanin’ny fiahian’i ramatoa Olga Rakotomalala, tompon’andraikitrin’ny Akany.
Miisa roa ireo efitra fatoriana (“dortoirs”) ao amin’ny Akany ary afaka mandray ankizy miisa 70 farafahabetsany ; misy efitrano lehibe iray izay fisakafoanana ary tokotany filalaovan’ireo ankizy. Tsy azo atao ambanin-javatra tokoa ny fahafahan’ireo ankizy ireo milalao sy miala voly.

Ho fanampin’ny efa voalaza etsy ambony, Tilane dia miasa ho amin’ny fiarovana ny zon’ireo ankizy ireo :
ny fahazaony sakafo ara-dalàna,
ny fahasalaman’ny vatana sy ny saina,
ary ny fahafahany mianatra, izay dingana iray lehibe amin’ny fivoaran’izy reo.
Tamin’ny taona 2020 dia namatsy vola nanarenana efitrano fianarana miisa 6 ihany koa i Tilane. Raha liana ianao dia afaka mamaky ny lahatsoratra momba izany [Fanavaozana ny Akany Felana Maitso].
Ary nisy ihany koa ireo asa fanatsarana ireo toerana fidiovana, niantohan’i Tilane.

Ny mpikambana ao amin’i Tilane dia mandalo in-droa isam-bolana ao amin’ny Akany, manatitra ny sakafo (vary sy legioma), manara-maso ny fahasalaman’ireo ankizy, ny fivoaran’izy ireo ary koa ny hetsika ataon’izy ireo. Izany fandalovana matetika izany dia manampy koa amin’ny fifandraisana amin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Akany.
Misy ihany koa ny fiarahana ivelan’ny Akany iantohan’i Tilane, toy ny fitsangatsanganana natao tamin’ny 4 septambra 2021, tany amin’ny Marlix Country Club, izay nafahana namory ireo rehetra ao amin’ny Akany sy ny mpikamban’i Tilane.

Ho fanohizana ny asa fanohanana ny Akany dia mikarakara fanagonam-bola (“levées de fonds”) matetika i Tilane.

Raha fintinina


Vao haingana ny fiaraha-miasan’i Tilany sy ny Akany Felana Maitso. Ary ny tanjon’i Tilane manaraka dia ny hahafahana manatombo ny karazana sakafo ho an’ny Akany (ohatra, ny fahafahana manome hena / trondro). Anisan’ny fanirian’i Tilane ihany koa ny hahafahana mankalaza ireo fety lehibe toy ny Krisimasy, ny Paska na koa ny tsingerin-taonan’ireo ankizy sy mampitombo ireo fitsangatsanganana.